Apokalypsin'i Jaona 1:9
Izaho Jaona, rahalahinareo sy namanareo amin’ ny fahoriana ary amin’ ny fanjakana sy ny faharetana ao amin’ i Jesosy, dia tao amin’ ny nosy atao hoe Patmo noho ny tenin’ Andriamanitra sy ny filazana an’ i Jesosy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 1
Cross References
Mark 10:39Dia hoy izy mirahalahy taminy: Hainay ihany. Ary hoy Jesosy taminy: Raha ny kapoaka izay sotroiko, dia hosotroinareo ihany, ary ny batisa izay anaovana Ahy batisa dia hanaovana anareo ihany;
Acts 14:22nampahery ny fanahin’ ny mpianatra ka nananatra azy haharitra amin’ ny finoana, sady nilaza fa tsy maintsy ho amin’ ny fahoriana be no idirantsika amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra.
Romans 5:3Ary tsy izany ihany, fa aoka isika hifaly amin’ ny fahoriana aza, satria fantatsika fa ny fahoriana mahatonga faharetana;
Romans 8:25Fa raha isika manantena izay tsy mbola hitantsika, dia miandry amin’ ny faharetana.
Philippians 1:7fa marina izany fiheverako anareo rehetra izany, satria efa mby ato am-poko ianareo, fa mpiombona ny fahasoavana ananako ianareo rehetra, na amin’ ny fifatorako, na amin’ ny famaliako hahafa-tsiny ny filazantsara sy ny fampianarako hahamafy orina azy.
2 Thessalonians 1:4ka reharehan’ ny tenanay ianareo eny amin’ ny fiangonan’ Andriamanitra noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin’ ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo ―