Apokalypsin'i Jaona 10:5
Ary ny anjely, ilay efa hitako, dia nitsangana teo ambonin’ ny ranomasina sy teo ambonin’ ny tany, ka nanangana ny tànany ankavanana ho amin’ ny lanitra
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And the angel which I saw stand upon the sea and upon the earth lifted up his hand to heaven,
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 10
Cross References
Genesis 14:22Fa hoy Abrama tamin’ ny mpanjakan’ i Sodoma: Izaho efa nanangan-tanana tamin’ i Jehovah, Andriamanitra Avo Indrindra, Izay nahary ny lanitra sy ny tany,
Exodus 6:8Ary Izaho hampiditra anareo any amin’ ny tany izay nananganako tanàna homena an’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; dia homeko ho lovanareo izany: Izaho no Jehovah.
Deuteronomy 32:40Fa manangana ny tanako amin’ ny lanitra Aho Ka manao hoe: Raha velona koa Aho mandrakizay:
Psalms 95:3Fa Andriamanitra lehibe Jehovah, Ary Mpanjaka lehibe ambonin’ ny andriamanitra rehetra Izy.
Psalms 148:1Haleloia. Miderà an’ i Jehovah, ry any an-danitra; Miderà Azy any ambony.
Ezekiel 20:5Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Tamin’ ny andro nifidianako ny Isiraely sy ny ananganako tanana tamin’ ny taranak’ i Jakoba sy nanaovako izay hahafantarany Ahy tany amin’ ny tany Egypta raha nanangan-tanana taminy Aho ka nanao hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo,