Apokalypsin'i Jaona 16:8
Ary ny fahelatra nampidina ny tao an-doviany tamin’ ny masoandro; dia nasaina nandoro ny olona tamin’ ny afo izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7Ary reko ny alitara nanao hoe: Eny, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha, marina sy mahitsy ny fitsaranao.
Read all of Apokalypsin'i Jaona 16
Cross References
Jonah 4:8Ary nony niposaka ny masoandro, Andriamanitra dia nanomana rivotra mahamay avy any atsinanana, ary dia namely ny lohan’ i Jona ny masoandro, dia ana izy ka nangataka ny ho faty, nanao hoe: Aleoko ho faty toy izay ho velona.
Luke 21:25Ary hisy famantarana eo amin’ ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, ary etỳ ambonin’ ny tany dia hisy fahorian’ ny firenena amin’ ny fahaverezan-kevitra noho ny firohondrohon’ ny ranomasina sy ny fanonjany,
Revelation 6:12Ary nahita aho, rehefa novahany ny tombo-kase fahenina, dia nisy horohorontany mafy; ary tonga mainty tahaka ny lamba volon’ osy fisaonana ny masoandro, ary tonga tahaka ny rà avokoa ny volana.
Revelation 8:12Ary ny anjely fahefatra nitsoka, dia nasiana ny ampahatelon’ ny masoandro sy ny ampahatelon’ ny volana ary ny ampahatelon’ ny kintana rehetra, mba ho maizina ny ampahatelony, ka tsy hazava ny ampahatelon’ ny andro, mba ho toy izany koa ny alina.
Revelation 9:17Ary toy izao no nahitako ny soavaly teo amin’ ny fahitana sy izay nitaingina azy: manana-piarovan-tratra tahaka ny afo sy ny setroka ary ny solifara izy; ary ny lohan’ ny soavaly dia tahaka ny lohan’ ny liona; ary misy afo sy setroka ary solifara mivoaka ary amin’ ny vavany.