Bokin'i Jona 4:8
Ary nony niposaka ny masoandro, Andriamanitra dia nanomana rivotra mahamay avy any atsinanana, ary dia namely ny lohan’ i Jona ny masoandro, dia ana izy ka nangataka ny ho faty, nanao hoe: Aleoko ho faty toy izay ho velona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Leviticus 10:3Dia hoy Mosesy tamin’ i Arona: Izany dia ilay nolazain’ i Jehovah hoe: Amin’ izay akaiky Ahy no hisehoako ho masìna, ary eo anatrehan’ ny olona rehetra no hampisehoako ny voninahitro. Dia sina Arona.
2 Samuel 15:25Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Zadoka: Ento miverina ho any an-tanàna ihany ny fiaran’ Andriamanitra; fa raha mahita fitia eo imason’ i Jehovah aho, dia mbola ho entiny miverina ihany, ka hasehony ahy iny sy ny fitoerany.
1 Kings 21:4Ary Ahaba nankany an-trano sady malahelo no sosotra noho ny teny nolazain’ i Nabota Jezirelita taminy hoe: Tsy homeko anao ny tanindrazako. Dia nandry teo am-parafarany izy ka nampihodina ny tavany sady tsy nety nihinan-kanina.
Job 7:15Ka dia aleon’ ny fanahiko ny hokendaina, eny, aleoko ny fahafatesana aza toy izay izato fitofezako izato;
Psalms 121:6Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, Na ny volana nony alina.
Song of Solomon 1:6Aza mibanjina ahy, fa mivalomainty aho, satria efa azon’ ny hainandro; Tezitra tamiko ny zanak’ ineny; Notendreny ho mpiandry ny tanim-boalobony aho; Nefa ny tanim-boaloboko kosa, dia ny an’ ny tenako, tsy mba nandrasako.