Apokalypsin'i Jaona 17:14
Ireo dia hiady amin’ ny Zanak’ ondry, ary ny Zanak’ ondry haharesy azy, satria Tompon’ ny tompo sy Mpanjakan’ ny mpanjaka Izy, ary haharesy azy koa izay momba Azy, dia olona voantso sy voafidy ary mahatoky.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
13Ireo dia miray saina ka manome ny heriny sy ny fahefany ho an’ ilay bibi-dia.
Read all of Apokalypsin'i Jaona 17
Cross References
Psalms 2:8Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran’ ny tany ho fanananao.
Psalms 110:5Ny Tompo eo an-kavananao Dia handripaka ny mpanjaka maro amin’ ny andron’ ny fahatezerany
Psalms 136:3Miderà ny Tompon’ ny tompo; Fa mandrakizay ny famindram-pony;
Proverbs 8:15Izaho no anjakan’ ny mpanjaka Sy andidian’ ny mpanapaka araka ny rariny;
Jeremiah 1:19Fa hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.
Daniel 2:44Ary amin’ ny andron’ ireo mpanjaka ireo Andriamanitry ny lanitra dia hanorina fanjakana izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an’ olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay.