Apokalypsin'i Jaona 18:17
Fa tamin’ ny ora iray monja no nahafoana ny harena be toy izany. Ary ny mpitondra sambo rehetra sy izay rehetra mandeha eny ambonin’ ny ranomasina sy ny matilo ary izay rehetra manao raharaha any an-dranomasina dia nijanona teny lavitra eny,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 18
Cross References
Isaiah 23:14Midradradradrà ianareo, ry sambon’ i Tarsisy ô! Fa rava ny fiarovanareo mafy.
Jeremiah 51:8Tampoka no naharavan’ i Babylona sy nahatorotoroany; Idradradradrao izy; Makà balsama hatao amin’ ny feriny maharary azy, fa angamba ho sitrana ihany izy.
Ezekiel 27:27Ny harenao sy ny vidin’ entanao, ny varotrao, ny matilonao sy ny mpitondra sambonao, ny mpanentsin-tsambonao sy ny mpividy ny entanao ary ny miaramilanao rehetra izay tao aminao mbamin’ ny olona betsaka tafangona tao aminao dia nilentika tao amin’ ny ranomasina tamin’ ny andro nandravana anao.
Revelation 17:16Ary ny tandroka folo sy ny bibi-dia izay efa hitanao, dia ireo no hankahala ilay vehivavy janga ka hahatsinontsinona azy sy hampitanjaka ary sy hihinana ny nofony ary handevona ny tenany amin’ ny afo.
Revelation 18:19Ary nanopy vovoka hiraraka tamin’ ny lohany izy, dia niantso sady nitomany sy nisaona ka nanao hoe: Indrisy! indrisy! ilay tanàna lehibe, izay nampanan-karena izay rehetra manan-tsambo eny amin’ ny ranomasina noho ny zava-tsaro-bidy tao aminy; fa tamin’ ny ora iray monja no nahafoana izany.