Apokalypsin'i Jaona 20:9
Ary niakatra namaky ny tany izy, dia nanodidina ny tobin’ ny olona masìna sy ny tanàna malala; ary nisy afo nidina avy tany an-danitra ka nandany azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 20
Cross References
Genesis 19:24Ary Jehovah nandatsaka tamin’ i Sodoma sy Gomora solifara sy afo, avy tamin’ i Jehovah tany an-danitra,
Leviticus 10:2Dia nisy afo nivoaka avy teo anatrehan’ i Jehovah ka nahafaty azy roa lahy, dia maty teo anatrehan’ i Jehovah izy.
Numbers 16:35Ary nisy afo nivoaka avy tamin’ i Jehovah ka nandevona ny lehilahy dimam-polo amby roan-jato izay nanatitra ditin-kazo manitra.
2 Kings 6:15Ary rehefa nifoha maraina koa ny zatovon’ ny lehilahin’ Andriamanitra ka nivoaka, dia, indreo, nisy miaramila sy soavaly ary kalesy manodidina ny tanàna. Dia hoy ilay zatovo taminy: Indrisy, tompoko! Ahoana no hataontsika?
Psalms 48:1Tonon-kira. Salamo nataon’ ny Koraïta.
Psalms 97:3Misy afo mialoha Azy ka mandevona ny fahavalony manodidina.