Apokalypsin'i Jaona 21:4
Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin’ ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 21
Cross References
Psalms 144:4Ny olona dia tahaka ny zava-poana, Ny androny dia tahaka ny aloka mihelina.
Isaiah 30:19Fa ianao, ry firenena mitoetra ao Ziona any Jerosalema, dia tsy hitomany intsony; Fa hamindra fo aminao tokoa Izy, raha reny ny fitarainanao; Eny, raha vao reny izany, dia hamaly anao Izy.
Isaiah 51:11Eny, ny navotan’ i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin’ ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana.
Isaiah 61:3Hanolotra ho an’ ny malahelo ao Ziona, eny, hanome azy namama ho solon’ ny lavenona, sy diloilo fifaliana ho solon’ ny fahalahelovana, ary fitafiana fiderana ho solon’ ny fanahy reradreraka, mba hanaovana azy hoe Hazon’ ny fahamarinana, nambolen’ i Jehovah ho fampisehoam-boninahitra.
Jeremiah 31:13Ary amin’ izany dia ho faly amin’ ny fandihizana ny virijina mbamin’ ny zatovo sy ny antitra koa; Fa hampodiko ho fifaliana ny fitomaniany, ka hampiononiko sy hampifaliko izy ho afaka alahelo.
Matthew 24:35Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.