Apokalypsin'i Jaona 22:16
Izaho Jesosy naniraka ny anjeliko hanambara aminareo ireo zavatra ireo ho an’ ny fiangonana. Izaho no Solofo sy taranak’ i Davida, ny Kintana mamirapiratra fitarika andro.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 22
Cross References
Numbers 24:17Hitako Izy, nefa tsy ankehitriny; tazako Izy, nefa tsy akaiky; misy kintana miseho avy amin’ i Jakoba sy tehim-panjakana miposaka avy amin’ Isiraely ka mandrava ny sisin-tanin’ i Moaba Ary mandringana ny mpitabataba rehetra.
Zechariah 6:12dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Indro Lehilahy atao hoe Rantsana; ary hitsimoka eo am-pitoerany ihany Izy sady hanao ny tempolin’ i Jehovah.
Matthew 2:2Aiza Ilay teraka ho Mpanjakan’ ny Jiosy? fa nahita ny kintany teny atsinanana izahay ka tonga mba hiankohoka eo anatrehany.
Matthew 22:42Ahoana no hevitrareo ny amin’ i Kristy? Zanak’ iza moa Izy? Hoy izy taminy: Zanak’ i Davida.
Luke 1:78Noho ny halehiben’ ny famindram-pon’ Andriamanitsika, izay hiposahan’ ny mazava avy any amin’ ny avo ho antsika.
Romans 1:3ny amin’ ny Zanany, Izay nateraka avy tamin’ ny taranak’ i Davida araka ny nofo,