Apokalypsin'i Jaona 22:15
Fa any ivelany ny alika sy ny mpanao ody ratsy sy ny mpijangajanga sy ny mpamono olona sy ny mpanompo sampy ary izay rehetra tia lainga sady mandainga.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 22
Cross References
1 Kings 22:8Dia hoy ny mpanjakan’ ny Isiraely tamin’ i Josafata: Mbola misy lehilahy iray ihany, dia Mikaia, zanak’ i Jimla, izay ahazoantsika manontany amin’ i Jehovah, saingy halako izy, satria tsy mba maminany soa ho ahy izy, fa loza ihany. Dia hoy Josafata: Aza manao izany, ry mpanjaka.
Isaiah 9:15Fa ny mpitarika ity firenena ity no tonga mpampivily azy, Ary izay tarihiny dia voatelina.
Isaiah 47:12Arosoy ary ny odinao sy ny hamaroan’ ny fankatovanao, izay efa nisasaranao hatry ny fony ianao mbola kely; Angamba hahavita izay mahasoa ianao; angamba ho tonga mahatahotra ianao.
Jeremiah 5:31Ny mpaminany maminany lainga, ny mpisorona: manapaka araka izay atoron’ ireny, ary ny oloko mankasitraka izany; Koa hanao ahoana re ianareo any am-parany?
Matthew 8:12fa ny zanaky ny fanjakana dia hariana amin’ ny maizina any ivelany; any no hisy ny fitomaniana sy ny fikitroha-nify.
John 8:46Iza moa aminareo no mampiseho Ahy ho nanota? Raha ny marina no lazaiko, nahoana ianareo no tsy mino Ahy?