Apokalypsin'i Jaona 3:12
Izay maharesy no hataoko andry eo amin’ ny tempolin’ Andriamanitro, ary tsy hiala eo intsony izy; ary hosoratako eo aminy ny anaran’ Andriamanitro sy ny anaran’ ny tanànan’ Andriamanitro, dia Jerosalema vaovao, izay midìna avy any an-danitra avy amin’ Andriamanitro, ary ilay anarako vaovao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
11Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao.
13Izay manan-tsofina, aoka izy hihaino izay lazain’ ny Fanahy amin’ ny fiangonana.
Read all of Apokalypsin'i Jaona 3
Cross References
1 Kings 7:21Ary ny andry dia natsangany teo amin’ ny lavarangana fidirana amin’ ny efitra lehibe: ny andry ankavanana natsangany, ka ny anarany nataony hoe Jakina; ary ny andry ankavia natsangany koa, ka ny anarany nataony hoe Boaza.
Psalms 87:3Zava-malaza no anambarana anao Ry tanànan’ Andriamanitra. [Sela.]
Jeremiah 1:18Indro, Izaho hanao anao ho tanàna mimanda sy andry vy ary manda varahina mba tsy ho leon’ ny tany rehetra, na ny mpanjakan’ ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny vahoaka.
Mark 12:16Dia nitondrany Izy. Ary hoy Izy taminy: An’ iza io sary sy soratra io? Ary hoy izy taminy: An’ i Kaisara.
Galatians 4:26Fa Jerosalema any ambony kosa, izay renintsika, dia tsy mba andevo.
Hebrews 12:22Fa ianareo kosa efa mby eo an-tendrombohitra Ziona, tanànan’ Andriamanitra velona, dia Jerosalema any an-danitra, ary ho ao amin’ ny anjely tsy omby alinalina,