Apokalypsin'i Jaona 3:9
Indro, alaiko ny sasany amin’ ny synagogan’ i Satana, izay milaza ny tenany ho Jiosy, kanjo tsy izy, fa mandainga, indro, hataoko tonga hiankohoka eo anoloan’ ny tongotrao ireo, ka ho fantany fa Izaho efa tia anao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 3
Cross References
Exodus 11:8Ary hidina ho ao amiko ireo mpanomponao rehetra ireo dia hiankohoka eo anatrehako ka hanao hoe: Mandehana ianao sy ny olona rehetra izay manaraka anao; ary rehefa afaka izany, dia vao handeha aho. Dia niala teo amin’ i Farao tamin’ ny fahatezerana mirehitra Mosesy.
1 Samuel 2:36Ary ho avy izay sisa rehetra amin’ ny taranakao ka hiankohoka eo anatrehany hangataka vola kely sy mofo iray ka hanao hoe: Masìna ianao, mba tendreo ho isan’ ny mpisorona aho, mba hahazoako sombi-mofo hohanina.
Job 42:8Koa ankehitriny makà vantotr’ ombilahy fito sy ondrilahy fito ho anareo, ary mankanesa ao amin’ i Joba mpanompoko, ka manatera fanatitra dorana ho anareo; ary Joba mpanompoko no hifona ho anareo, fa izy no hankasitrahako, fandrao hamaly anareo araka ny fahadalanareo Aho, satria tsy marina tahaka ny filàzan’ i Joba mpanompoko ny filàzanareo Ahy.
Isaiah 45:14Izao no lazain’ i Jehovah; Ny vokatry ny fisasaran’ i Egypta sy ny tombom-barotr’ i Etiopia sy ny Sabeana, olona lava tsanganana, hafindra ao aminao, ka ho anao izany; ary hanaraka anao ireo; avy aman-gadra izy ary hiankohoka handady eo anatrehanao, dia hifona aminao hoe: Ato aminao tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy ihany.
Isaiah 60:14Ny zanak’ izay nampahory anao dia handeha hiondrika eo anatrehanao, ary hiankohoka amin’ ny faladianao izay rehetra nanamavo anao; ary izy hanao anao hoe Tanànan’ i Jehovah, Zionan’ ny Iray Masin’ ny Isiraely.
Acts 16:37Fa hoy Paoly taminy: Efa nokapohiny tsy voatsara teo amin’ ny miharihary izahay, kanefa Romana izahay, ka nataony tao an-tranomaizina, ary ankehitriny moa mamoaka anay mangingina va izy? Tsia, fa aoka izy ihany ho hankatỳ hamoaka anay.