Apokalypsin'i Jaona 4:9
Ary raha ny zava-manan’ aina hanome voninahitra sy haja ary fisaorana ho an’ ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana, dia Izay velona mandrakizay mandrakizay,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 4
Cross References
Exodus 15:18Jehovah hanjaka mandrakizay doria.
Psalms 48:14Hevero tsara ny mandany, diniho ny tranon’ andrianany, mba hambaranareo amin’ ny taranaka mandimby.
Daniel 12:7Ary ilay lehilahy mitafy rongony fotsy, izay teo ambonin’ ny rano amin’ ny ony, dia nanandratra ny tànany ankavanana sy ny tànany ankavia ho amin’ ny lanitra ka reko nianiana tamin’ Izay velona mandrakizay izy fa ho fetr’ andro iray sy fetr’ andro roa ary antsasaky ny fetr’ andro; ary rehefa vita ny fanamontsamontsanana ny herin’ ny olo-masìna, dia ho tanteraka ireo rehetra ireo.
Hebrews 7:25koa amin’ izany dia mahavonjy tokoa izay manatona an’ Andriamanitra amin’ ny alalany Izy, satria velona mandrakizay hanao fifonana ho azy.
Revelation 5:13Ary izao zavatra ary rehetra izao, na izay any an-danitra, na izay etỳ ambonin’ ny tany sy any ambanin’ ny tany, na izay any an-dranomasina mbamin’ izay rehetra ao anatiny, dia reko samy nanao hoe: Ho an’ ilay mipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianana sy ho an’ ny Zanak’ ondry anie ny saotra sy ny haja sy ny voninahitra ary ny fanjakana mandrakizay mandrakizay.
Revelation 10:6ary nianiana tamin’ izay velona mandrakizay mandrakizay, dia Ilay nahary ny lanitra sy ny ao aminy ary ny tany sy ny ao aminy ary ny ranomasina sy ny ao aminy fa tsy hisy andro intsony;