Apokalypsin'i Jaona 4:8
Ary ny zava-manan’ aina efatra dia samy nanana elatra enina avy, sady feno maso ny tenany rehetra manodidina ka hatrao anatiny; ary tsy mitsahatra andro aman’ alina izy manao hoe: Masìna, masìna, masìna ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 4
Cross References
Genesis 17:1Ary rehefa sivy amby sivi-folo taona Abrama, dia nisehoan’ i Jehovah izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha; mandehana eo anatrehako, ka aoka ho tsy misy tsiny ianao.
Psalms 91:1Ny mitoetra ao amin’ ny fierena izay an’ ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin’ ny aloky ny Tsitoha.
Isaiah 13:6Midradradradrà ianareo, fa efa antomotra ny andron’ i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ ny Tsitoha no fihaviny.
Isaiah 62:6Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin’ ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangìna ireny; eny, ianareo izay mpampahatsiaro an’ i Jehovah, aza mitsahatra;
Ezekiel 10:21Samy nanana tarehy efatra avy izy, sady samy nanana elatra efatra avy koa; ary nisy nitarehin-tànan’ olona teo ambanin’ ny elany.
Acts 20:31Koa miambena, ary tsarovy fa telo taona mipaka aho tsy nitsahatra nananatra anareo rehetra andro aman’ alina tamin’ ny ranomaso.