Apokalypsin'i Jaona 6:1
Ary nahita aho, rehefa novahan’ ny Zanak’ ondry ny anankiray tamin’ ny tombo-kase fito, ary reko ny anankiray tamin’ ny zava-manan’ aina efatra, tahaka ny fikotrokotroky ny kotrokorana, nanao hoe: Avia.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 6
Cross References
Acts 4:20Fa izahay tsy maintsy milaza izay zavatra efa hitanay sy renay.
Revelation 5:1Ary hitako fa, indro, nisy boky voasoratra tao anatiny sy teo ivohony, voapetaka mafy tamin’ ny tombo-kase fito, teo an-tanana ankavanan’ ilay nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianana.
Revelation 6:3Ary rehefa novahany ny tombo-kase faharoa, dia reko ny zava-manan’ aina faharoa nanao hoe: Avia.
Revelation 6:7Ary rehefa novahany ny tombo-kase fahefatra, dia reko ny feon’ ny zava-manan’ aina fahefatra nanao hoe: Avia.
Revelation 11:19Ary novohana ny tempolin’ Andriamanitra any an-danitra, ka hita ny fiaran’ ny fanekeny teo anatin’ ny tempoliny; ary nisy helatra sy feo sy kotrokorana sy horohorontany ary havandra vaventy.
Revelation 19:6Dia nahare feo tahaka ny an’ ny vahoaka betsaka aho, sy tahaka ny firohondrohon’ ny rano be, ary tahaka ny fikotroky ny kotrokorana mafy, nanao hoe: Haleloila! Fa ny Tompo Andriamanitsika, dia ny Tsitoha, no Mpanjaka.