Apokalypsin'i Jaona 6:4
Dia nisy soavaly hafa mena kosa nivoaka; ary izay nitaingina azy dia navela hanaisotra ny fihavanana amin’ ny tany mba hifamonoan’ ny olona; ary nomena sabatra lehibe izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Ary rehefa novahany ny tombo-kase faharoa, dia reko ny zava-manan’ aina faharoa nanao hoe: Avia.
Read all of Apokalypsin'i Jaona 6
Cross References
Exodus 9:16Kanefa izao indrindra no nampaharetako anao, dia ny hampahita anao ny heriko mba hambara any amin’ ny tany rehetra ny anarako.
Isaiah 10:5Endrey! ry Asyria, tsorakazon’ ny fahatezerako ô, Eny, tehina eny an-tànany ny fahavinirako!
Ezekiel 29:18Ry zanak’ olona, mafy ny fanompoana izay nampanaovin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ny miaramilany tamin’ ny namelezany an’ i Tyro, ka efa samy tonga sola avokoa ny lohany, sady niendaka ny sorony, nefa tsy nahazo karama avy tany Tyro izy sy ny miaramilany noho ny fanompoana izay nataony tamin’ ny namelezany azy.
Daniel 2:37Hianao, ry mpanjaka ô, izay mpanjakan’ ny mpanjaka sady nomen’ Andriamanitry ny lanitra fanjakana sy hery sy fahaleovana ary voninahitra,
Zechariah 1:8Nahita tamin’ ny alina aho fa, indro, nisy lehilahy nitaingina soavaly mena ka nijanona teny amin’ ny rotra teny an-dohasaha, ary teo aoriany nisy soavaly mena sy mavo ary fotsy.
Matthew 10:34Ary aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana ambonin’ ny tany Aho; tsy tonga hitondra fiadanana Aho, fa sabatra.