Epistily ho an'ny Romana 13:12
Efa ho lasa ny alina, ka efa mby akaiky kokoa ny andro, koa aoka hariantsika ny asan’ ny maizina ka hitafiantsika ny fiadian’ ny mazava.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Romana 13
Cross References
Job 24:14Raha vao mangiran-dratsy, dia mifoha ny mpamono olona; Mamono ny ory sy ny malahelo izy, ary nony alina, dia tahaka ny mpangalatra.
Isaiah 2:20Amin’ izany andro izany dia harian’ ny olona Ho an’ ny voalavo sy ny manavy Ny andriamani-bolafotsiny sy ny andriamani-bolamenany Izay nataony hiankohofany eo anatrehany
Ezekiel 18:31Esory ho afaka aminareo ny fahadisoanareo rehetra izay nataonareo, ka manaova fo vaovao sy fanahy vaovao ho anareo; fa nahoana no ho faty ianareo, ry taranak’ Isiraely?
Romans 13:14Fa itafio Jesosy Kristy Tompo, ary aza miahy ny amin’ ny nofo hahatanteraka ny filany.
Ephesians 4:22mba hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondran-tenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan’ ny fitaka;
Ephesians 6:11Tafio avokoa ny fiadian’ Andriamanitra, mba hahazoanareo hifahatra amin’ ny fanangolen’ ny devoly.