Epistily ho an'ny Romana 4:3
Fa ahoana hoy ny Soratra Masìna? Ary Abrahama nino an’ Andriamanitra, ka dia nisaina ho fahamarinany izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For what saith the scripture? Abraham believed God, and it was counted unto him for righteousness.
In Context
4Ary ho an’ izay miasa, dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa.
Read all of Epistily ho an'ny Romana 4
Cross References
Genesis 15:6Ary nino an’ i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany.
Isaiah 8:20Ho amin’ ny lalàna sy ny teni-vavolombelona ihany! Raha tsy miteny araka izany teny izany izy, Dia olona izay tsy hiposahan’ ny fahazavan’ ny maraina.
Mark 12:10Ary tsy mbola novakinareo va izao Soratra Masìna izao: Ny vato izay nolavin’ ny mpanao trano, Dia izy no efa natao fehizoro;
Romans 4:9Koa izany fahasambarana izany moa an’ ny voafora ihany va, sa an’ ny tsy voafora koa? fa lazaintsika fa ny finoana no nisaina ho fahamarinan’ i Abrahama.
Romans 4:22Dia nisaina ho fahamarinany izany.
Romans 10:11Fa hoy ny Soratra Masìna: Tsy ho menatra izay rehetra mino Azy.