Epistily ho an'ny Romana 8:2
Fa ao amin’ i Kristy Jesosy ny lalàn’ ny Fanahin’ aina no nahafaka ahy tamin’ ny lalàn’ ny fahotana sy ny fahafatesana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
For the law of the Spirit of life in Christ Jesus hath made me free from the law of sin and death.
In Context
1Ary amin’ izany dia tsy misy fanamelohana ho an’ izay ao amin’ i Kristy Jesosy.
Read all of Epistily ho an'ny Romana 8
Cross References
Psalms 51:12Amorony fo madio aho, Andriamanitra ô; ary havaozy hiorina marina ny fanahiko ato anatiko.
John 4:10Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha fantatrao ny fanomezan’ Andriamanitra sy Izay miteny aminao hoe: Omeo Aho hosotroiko, dia ianao no ho nangataka taminy, ka nomeny rano velona.
John 6:63Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana.
John 8:32ka ho fantatrareo ny marina, ary ny marina hahafaka anareo tsy ho andevo.
Romans 3:27Aiza ary ny fireharehana? Efa foana izany. Amin’ ny lalàna manao ahoana? amin’ ny lalàn’ ny asa va? Tsia; fa amin’ ny lalàn’ ny finoana.
Romans 6:14Fa ny ota tsy hanan-kery aminareo; fa tsy mba ambanin’ ny lalàna ianareo, fa ambanin’ ny fahasoavana.