Tononkiran'i Solomona 2:3
Toy ny hazo poma amin’ ny hazo any an’ ala, dia toy izany ny malalako eo amin’ ny zatovo. Mahafinaritra ahy indrindra ny mipetraka eo ambanin’ ny alokalony, sady mamy ao am-bavako ny voany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Toy ny lilia eo amin’ ny tsilo, dia toy izany tompokovavy havako eo amin’ ny zazavavy.
4Nentiny ho ao an-tranon-divay aho, ary ny fanevany eo amboniko dia fitiavana.
Read all of Tononkiran'i Solomona 2
Cross References
Genesis 3:22Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy ka hakany koa ny hazon’ aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy;
Judges 9:19koa raha marina sy mahitsy ny nataonareo androany tamin’ i Jerobala sy ny zanany, dia mifalia amin’ i Abimeleka ianareo, ary aoka izy kosa hifaly aminareo.
Psalms 45:3Tsara tarehy noho ny zanak’ olombelona ianao; fahasoavana no naidina tamin’ ny molotrao; izany no nitahian’ Andriamanitra anao mandrakizay.
Psalms 89:6Ary ny lanitra hidera ny fahagagana ataonao, Jehovah ô, Ary ny fahamarinanao koa ao amin’ ny fiangonan’ ny olo-masìna.
Song of Solomon 2:5Hatanjaho amin’ ampempam-boaloboka aho, ary velombelomy amin’ ny poma aho, fa mararim-pitia.
Song of Solomon 5:9Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, ry tsara tarehy amin’ ny vehivavy? Inona ny malalanao mihoatra noho ny malala sasany, no dia mampianiana anay toy izao ianao?