Tononkiran'i Solomona 5:4
Nampiditra ny tànany teo amin’ ny loaka ilay malalako, dia nangorakoraka azy ny foko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
My beloved put in his hand by the hole of the door, and my bowels were moved for him.
In Context
Read all of Tononkiran'i Solomona 5
Cross References
1 Kings 3:26Fa niteny tamin’ ny mpanjaka ravehivavy, renin’ ny zaza velona satria nandevilevy ny fony noho ny amin’ ny zanany ka nanao hoe: Tompokolahy ô, trarantitra ianao, omeo azy ihany ary ny zaza velona, fa aza dia vonoina re! Fa hoy kosa ny iray: Aoka tsy ho ahy tsy ho anao, fa zarao mihitsy.
Song of Solomon 1:4Taomy aho, dia hihazakazaka hanaraka anao izahay; Nentin’ ny mpanjaka ho ao an-efi-tranony aho. Hifaly sy hiravoravo aminao izahay; Hankalazainay mihoatra noho ny divay ny fitiavanao; Fitiavana marina no itiavany anao.
Acts 16:14Ary nisy vehivavy atao hoe Lydia, mpivarotra lamba volomparasy, avy any an-tanàna Tyatira, izay nivavaka tamin’ Andriamanitra, dia nihaino izy, ary ny Tompo nanokatra ny fony hitandrina ny teny izay nolazain’ i Paoly.
2 Corinthians 8:16Fa isaorana anie Andriamanitra, Izay manome fahazotoana ho ao am-pon’ i Titosy ho anareo mitovy amin’ ny ahy.
1 John 3:16Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy no nanolotra ny ainy hamonjy antsika; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy.