Tononkiran'i Solomona 6:1
Nankaiza ny malalanao, ry tsara tarehy amin’ ny vehivavy? Nivily nankaiza ny malalanao? Mba hiarahanay aminao hitady azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Tononkiran'i Solomona 6
Cross References
Ruth 2:12Hamaly ny nataonao anie Jehovah, ka homen’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, valim-pitia lehibe anie ianao, satria avy hialoka eo ambanin’ ny elany ianao.
Song of Solomon 1:8Raha tsy fantatrao, ry tsara tarehy indrindra amin’ ny vehivavy, dia mandehana hanaraka ny andian’ ny ondry aman’ osy, ary andraso eny amin’ ny lain’ ny mpiandry ondry ny zanak’ osinao.
Song of Solomon 5:6Namoha varavarana ny malalako aho, kanjo efa nihodina izy ka lasa; Very hevitra aho tamin’ ny nitenenany; Nitady azy aho, fa tsy nahita; Niantso azy aho, fa tsy novaliany.
Song of Solomon 6:4Tsara tarehy tahaka an’ i Tirza ianao, ry tompokovavy havako, eny, tsara tarehy tahaka an’ i Jerosalema, mahatahotra toy ny antokon’ ny miaramila mitondra faneva.
Isaiah 2:5Ry taranak’ i Jakoba, Avia, ary aoka isika handeha amin’ ny fahazavan’ i Jehovah.
Zechariah 8:21ary ny mponina ao amin’ ny anankiray hankany amin’ ny anankiray kosa ka hanao hoe: Aoka handeha tokoa isika hifona amin’ i Jehovah sy hitady an’ i Jehovah, Tompon’ ny maro; izaho koa mba handeha.