Tononkiran'i Solomona 6:10
Iza moa io vehivavy mitsidika toy ny maraina, izay tsara tarehy tahaka ny volana, madio toy ny masoandro sady mahatahotra toy ny antokon’ ny miaramila mitondra faneva?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Tononkiran'i Solomona 6
Cross References
2 Samuel 23:4Ary izany dia toy ny fahazavan’ ny maraina, raha miposaka ny masoandro, dia ilay maraina tsy misy rahona iny; Ary ny ahitra manorobona amin’ ny tany noho ny hain’ andro manarakaraka ny ranonorana.
Job 31:26Raha tàhiny aho nijery ny masoandro, raha namirapiratra izy, na ny volana, raha nandeha tamin’ ny fangarangarany izy,
Proverbs 4:18Fa ny lalan’ ny marina dia toy ny fipoak’ andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ ny andro.
Song of Solomon 6:4Tsara tarehy tahaka an’ i Tirza ianao, ry tompokovavy havako, eny, tsara tarehy tahaka an’ i Jerosalema, mahatahotra toy ny antokon’ ny miaramila mitondra faneva.
Isaiah 58:8Fa raha izany, dia hiposaka tahaka ny fahazavan’ ny maraina ny fahazavanao, ary ho tonga faingana ny fahasitrananao; ny fahamarinanao ho loha-lalanao, ary ny voninahitr’ i Jehovah ho vodi-lalanao
Hosea 6:5Ary noho izany ny mpaminany no nentiko nikapa azy, ny tenin’ ny vavako no nentiko namono azy; Ary ny fitsarana anao dia hiposaka toy ny mazava.