Tononkiran'i Solomona 8:11
Solomona nanan-tanim-boaloboka tao Bala-hamona; Nahofany tamin’ olona mpiandry voly ny tanim-boaloboka, ka samy tsy maintsy mitondra sekely volafotsy arivo ho solon’ ny vokatra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
10Mànda aho, dia toy ny tilikambo ny nonoko. Raha eo imasony dia toy ny efa mahita soa aho.
Read all of Tononkiran'i Solomona 8
Cross References
Genesis 20:16Ary hoy kosa izy tamin’ i Saraha: Indro, efa nomeko sekely volafotsy arivo ny anadahinao; indro, ho fanampena-maso aminao izany, dia amin’ izay rehetra momba anao: ka dia efa nahazo ny rariny ianao ny amin’ izany rehetra izany.
Song of Solomon 1:6Aza mibanjina ahy, fa mivalomainty aho, satria efa azon’ ny hainandro; Tezitra tamiko ny zanak’ ineny; Notendreny ho mpiandry ny tanim-boalobony aho; Nefa ny tanim-boaloboko kosa, dia ny an’ ny tenako, tsy mba nandrasako.
Isaiah 5:1Aoka aho hihira ny amin’ ny Malalako, dia hiran’ ny Malalako ny amin’ ny tanim-boalobony. Ny Malalako nanana tanim-boaloboka tao an-kavoana lonaka;
Matthew 21:33Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy lehilahy tompon-trano nanao tanim-boaloboka, dia namefy azy manodidina dia nihady famiazana teo anatiny, dia nanao tilikambo, ary dia nahofany tamin’ olona mpiasa tany izany, ka nandeha ho any amin’ ny tany hafa izy.
Luke 20:9Dia nilaza izao fanoharana izao tamin’ ny olona Izy ka nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nanao tanim-boaloboka, ka nahofany tamin’ olona mpiasa tany izany, dia nandeha nitoetra ela tany an-tany hafa izy.