Bokin'i Zakaria 1:17
Miantsoa indray hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Hihoa-pampana ny fanambinana ny tanànako; ary Jehovah hampionona an’ i Ziona ary mbola hifidy an’ i Jerosalema indray.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Chronicles 6:6fa nifidy an’ i Jerosalema Aho hitoeran’ ny anarako, ary nifidy an’ i Davida Aho hanapaka ny Isiraely oloko.
Nehemiah 11:20Ary ny sisa tamin’ ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita, dia teny an-tanàna rehetra any Joda, samy tao amin’ ny zara-taniny avy.
Psalms 132:13Fa Jehovah efa nifidy an’ i Ziona. Ary naniry azy ho fonenany.
Isaiah 40:1Ampionony, ampionony ny oloko, Hoy Andriamanitrareo;
Isaiah 44:26Ary mahatò ny tenin’ ny mpanompoko sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako, ary manao amin’ i Jerosalema hoe: Honenana ianao, sy amin’ ny tanànan’ ny Joda hoe: Hatsangana ianareo, ka hamboariko izay rava eo,
Isaiah 51:3Fa Jehovah mampionona an’ i Ziona; Eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy Ka manao ny efitra ao ho tahaka an’ i Edena. Ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan’ i Jehovah; Hafaliana sy haravoana no hita ao mbamin’ ny fisaorana sy ny feo fiderana.