Bokin'i Zakaria 14:17
Ary na iza na iza amin’ ny firenena samy hafa amin’ ny tany no tsy hiakatra ho any Jerosalema hiankohoka eo anatrehan’ ny Mpanjaka, dia Jehovah, Tompon’ ny maro, dia tsy mba hisy ranonorana mivatravatra any aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Zakaria 14
Cross References
Genesis 12:3ary hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao; ary aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.
Deuteronomy 11:17ary dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’ i Jehovah, dia hanampina ny lanitra Izy, ka tsy hisy ranonorana, ary tsy hahavokatra ny tany; dia ho lany ringana faingana ianareo tsy ho eo amin’ ny tany soa izay omen’ i Jehovah anareo.
1 Kings 8:35Raha mihantona ny andro ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan’ ny olona taminao, ka mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy ka manaiky ny anaranao sady miala amin’ ny fahotany, satria ampahorinao,
2 Chronicles 6:26Raha mihantona ny andro, ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan’ ny olona taminao, ary mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy ka manaiky ny anaranao sady miala amin’ ny fahotany, satria ampahorinao,
Psalms 2:8Mangataha amiko, dia homeko ho lovanao ny jentilisa ary ny faran’ ny tany ho fanananao.
Psalms 110:5Ny Tompo eo an-kavananao Dia handripaka ny mpanjaka maro amin’ ny andron’ ny fahatezerany