Bokin'i Zefania 1:18
Na ny volafotsiny na ny volamenany dia samy tsy hahavonjy azy amin’ ny andro fahatezeran’ i Jehovah, Fa holevonin’ ny afon’ ny fahasaro-piarony ny tany rehetra; Fa fahafonganana, eny, fahafonganana tampoka tokoa no hataony amin’ ny mponina amin’ ny tany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Leviticus 26:33Ary ianareo dia haeliko any amin’ ny jentilisa, any hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika anareo Aho; ary ny taninareo ho lao, any ny tanànanareo ho rava.
Deuteronomy 31:17Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’ izany andro izany, ka hahafoy azy Aho ary hanafina ny tavako aminy, ka ho lany ritra izy, ary loza maro sy fahoriana no hanjo azy; dia hiteny izy amin’ izany andro izany ka hanao hoe: Moa tsy ny tsy itoeran’ Andriamanitro eto amiko va no mahatonga izao fahoriana izao amiko?
Deuteronomy 32:22Fa arehitra ny afon’ ny fahatezerako, Ka mandoro hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita any ambany indrindra, Sady mandevona ny tany mbamin’ ny vokatra ao aminy Ary mampirehitra ny fanambanin’ ny tendrombohitra aza.
Job 3:15Na teo amin’ ny andriandahy izay manana volamena sady mameno volafotsy ny tranony;
Psalms 49:6Nahoana no hatahotra amin’ ny andro fahoriana aho, nony manodidina ahy ny haratsian’ ny mpamingana ahy,
Psalms 78:58Ary nampahatezitra Azy tamin’ ny fitoerana avony izy, sady nahasaro-piaro Azy tamin’ ny sarin-javatra voasokitra.