Boky faharoan'ny Tantara 21:3
Fa hoy Joaba: Jehovah anie hampitombo ny olony ho injato toy izao na firy na firy izy; fa moa tsy mpanompon’ ny tompoko izy rehetra, ry mpanjaka tompoko? Koa inona indray no itadiavan’ ny tompoko izany zavatra izany? Nahoana no dia hampahadiso ny Isiraely?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 21
Cross References
Genesis 20:9Ary Abimeleka dia nampaka an’ i Abrahama ka nanao taminy hoe: Inona izao nataonao taminay izao? ary inona izao ratsy nataoko taminao izao no dia nahatonga heloka lehibe tamiko sy tamin’ ny fanjakako ianao? zavatra izay tsy tokony hatao no nataonao tamiko.
Exodus 32:21Ary hoy Mosesy tamin’ i Arona: Inona no nataon’ ity firenena ity taminao, no nitondranao heloka lehibe taminy?
Deuteronomy 1:11(Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anie hampitombo anareo ho arivo toraka izao ka hitahy anareo, araka izay efa nolazainy taminareo!)
1 Samuel 2:24Tsia anaka, fa tsy tsara ny teny reko; fa mampanota ny olon’ i Jehovah ianareo.
2 Kings 12:7Kanjo hatramin’ ny fahatelo amby roa-polo taona nanjakan’ i Joasy mpanjaka dia tsy mbola voavoatry ny mpisorona ihany ny simba tamin’ ny trano.
Psalms 115:14Jehovah anie hampitombo anareo, Dia ianareo mbamin’ ny zanakareo.