Boky faharoan'ny Tantara 21:8
Ary hoy Davida tamin’ Andriamanitra; Efa nanota indrindra aho tamin’ izao nataoko izao; koa ankehitriny, mifona aminao aho, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe tokoa aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7Ary tsy sitrak’ Andriamanitra izany zavatra izany; ka dia namely ny Isiraely Izy.
9Ary hoy Jehovah tamin’ i Gada mpahitan’ i Davida:
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 21
Cross References
1 Samuel 13:13Ary hoy Samoela tamin’ i Saoly: Nanao adala ianao; tsy nitandrina ny didin’ i Jehovah Andriamanitrao izay nandidiany anao ianao; fa raha tsy izany, ankehitriny Jehovah dia ho nampitoetra ny fanjakanao amin’ ny Isiraely ho mandrakizay.
2 Samuel 12:13Dia hoy Davida tamin’ i Natana: Efa nanota tamin’ i Jehovah aho. Ary hoy kosa atana tamin’ i Davida: Jehovah efa nanaisotra ny helokao, ka tsy ho faty ianao.
2 Samuel 24:10Ary ny eritreritr’ i Davida namely azy, rehefa voaisany ny olona. Ka dia hoy Davida tamin’ i Jehovah: Efa nanota indrindra aho tamin’ izao nataoko izao; koa ankehitriny mifona aminao aho, Jehovah ô, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe aho.
Psalms 25:11Noho ny anaranao, Jehovah ô, dia mamelà ny heloko, fa lehibe izany.
Psalms 51:1Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida,
Hosea 14:2Ry Isiraely ô, miverena amin’ i Jehovah Andriamanitrao, fa lavon-keloka ianao.