Boky faharoan'ny Tantara 21:7
Ary tsy sitrak’ Andriamanitra izany zavatra izany; ka dia namely ny Isiraely Izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And God was displeased with this thing; therefore he smote Israel.
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 21
Cross References
Joshua 7:1Fa ny Zanak’ Isiraely nandika ny didy ny amin’ ny zavatra voaozona; fa Akana, zanak’ i Karmy, zanak’ i Zabdy, zanak’ i Zera, avy tamin’ ny firenen’ i Joda, naka tamin’ ny zavatra efa voaozona, ka dia nirehitra tamin’ ny Zanak’ Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah.
Joshua 7:13Mitsangana, manamasìna ny vahoaka, ka lazao hoe: Manamasìna ny tenanareo mandra-pahamaraina; fa izao no lazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Eo aminao misy zavatra efa voaozona, ry Isiraely; koa tsy mahajanona eo anoloan’ ny fahavalonao ianao mandra-panaisotrareo ny zavatra efa voaozona tsy ho eo aminareo intsony.
2 Samuel 11:27Ary rehefa afa-tsaona izy, dia nampanalain’ i Davida ho any an-tranony, ary dia novadiny izy ka niteraka zazalahy taminy. Nefa tsy sitrak’ i Jehovah izany nataon’ i Davida izany.
2 Samuel 21:14Ary ny taolan’ i Saoly sy Jonatana zanany dia nalevin’ ny olona tao amin’ ny tanin’ ny Benjamina tao Zela, tao amin’ ny fasan’ i Kisy rainy; ary dia vitany izay rehetra nandidian’ ny mpanjaka. Ary nony efa vita izany, dia neken’ Andriamanitra ny fifonana natao ho an’ ny tany.
2 Samuel 24:10Ary ny eritreritr’ i Davida namely azy, rehefa voaisany ny olona. Ka dia hoy Davida tamin’ i Jehovah: Efa nanota indrindra aho tamin’ izao nataoko izao; koa ankehitriny mifona aminao aho, Jehovah ô, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe aho.
1 Chronicles 21:14Dia nasian’ i Jehovah areti-mandringana ny Isiraely ka nahafatesana fito alina izy.