Boky faharoan'ny Tantara 3:2
Absaloma, zanak’ i Maka, zanakavavin’ i Talmay, mpanjakan’ i Gesora, no fahatelo; Adonia, zanak’ i Hagita, no fahefatra;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Sefatia, zanak’ i Abitala, no fahadimy; Jitreama, zanak’ i Egla vadiny, no fahenina.
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 3
Cross References
2 Samuel 3:4ary ny fahefatra dia Adonia, zanak’ i Hagita; ary ny fahadimy dia Sefatia, zanak’ i Abitala;
2 Samuel 13:20Ary hoy Absaloma anadahiny taminy: Efa tany aminao va Amnona anadahinao? Mangìna ihany aloha, ranabavy, fa anadahinao izy; fa aza malahelo noho izany. Ka dia nitoetra tao an-tranon’ i Absaloma anadahiny Tamara sady ory.
2 Samuel 14:23Dia niainga Joaba nankany Gesora, ka nentiny nankany Jerosalema Absaloma.
2 Samuel 15:8Fa nivoady aho mpanomponao, fony mbola nitoetra tany Gesora any Syria, nanao hoe: Raha mbola hampodin’ i Jehovah any Jerosalema ihany aho, dia hanompo an’ i Jehovah.
2 Samuel 18:18Ary fony mbola velona Absaloma, dia efa naka vato izy ka nanao ilay tsangam-bato ho azy tao an-dohasahan’ ny Mpanjaka, fa hoy izy: Tsy manan-janakalahy hamelo-maso ahy aho; ary dia nataony araka ny anaran’ ny tenany ihany ilay tsangam-bato, ka mbola atao hoe: Fahatsiarovana an’ i Absaloma no anarany mandraka androany.
2 Samuel 19:4Ka dia niakatra nisokosoko tao an-tanàna ny olona tamin’ izany andro izany, toy ny fisokosokon’ ny olona menatra raha mandositra amin’ ny ady.