Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 1:20
Aiza ny hendry? Aiza ny mpanora-dalàna? Aiza ny mpiady hevitra avy amin’ izao tontolo izao? Tsy nampodin’ Andriamanitra ho fahadalana va ny fahendren’ izao tontolo izao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19Fa voasoratra hoe: Hofoanako ny fahendren’ ny hendry, Ary holaviko ny fahalalan’ ny mahalala.
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 1
Cross References
2 Samuel 15:31Ary nisy nanambara tamin’ i Davida hoe: Ahitofela koa mba isan’ ny mpiray tetika amin’ i Absaloma. Dia hoy Davida: Mitaraina aminao aho, Jehovah ô, ampodio ho fahadalana ny hevitra ataon’ i Ahitofela.
2 Samuel 17:14Ary hoy Absaloma sy ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely: Tsara noho ny hevitra nataon’ i Ahitofela ny nataon’ i Hosay Arkita. Fa efa notendren’ i Jehovah ho foana ny sain-dalina nataon’ i Ahitofela, hampidiran’ i Jehovah loza amin’ i Absaloma.
Job 12:17Alany voninahitra ny mpanolo-tsaina, dia entiny. Ary asehony ny fahadalan’ ny mpitsara.
Job 12:24Mahavery saina ny loholona amin’ ny tany Izy ary mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana;
Isaiah 33:18Hotsaroan’ ny fonao ilay nahatahotra: Aiza ny mpanoratra? Aiza ny mpandanja? Aiza ny mpanisa ny tilikambo?
Isaiah 53:1Iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’ i Jehovah?