Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 10:23
Ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mahasoa; ny zavatra rehetra azo atao, nefa tsy ny zavatra rehetra no mampandroso.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
22Mampahasaro-piaro ny Tompo va isika? Mahery noho Izy va isika?
24Aoka tsy hisy olona hitady ny hahasoa ny tenany, fa ny hahasoa ny namany.
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 10
Cross References
Romans 14:15Fa raha mampalahelo ny rahalahinao ny fihinanao, dia tsy mba manaraka ny fitiavana intsony ianao. Aza ny fihinanao no animbanao azy, fa efa maty Kristy hamonjy azy.
Romans 15:1Fa isika izay matanjaka dia tokony hitondra ny fahalemen’ ny malemy ka tsy hitady izay hahafaly ny tenantsika ihany.
1 Corinthians 8:1Ary ny amin’ ny hena aterina amin’ ny sampy, dia fantatsika fa manana fahalalana isika rehetra. Ny fahalalana mampieboebo; fa ny fitiavana no mampandroso.
1 Corinthians 14:3fa izay maminany kosa miteny amin’ olona ho fampandrosoana sy ho famporisihana ary ho fampiononana.
1 Corinthians 14:17Fa ianao dia misaotra tsara ihany, nefa ny hafa kosa tsy mba ampandrosoina.
2 Corinthians 12:19Efa ela izay no nanaovanareo anay ho miala tsiny aminareo. Eo anatrehan’ Andriamanitra no itenenanay ao amin’ i Kristy; fa ny zavatra rehetra, ry malala, dia ho fampandrosoana anareo.