Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 8:1
Ary ny amin’ ny hena aterina amin’ ny sampy, dia fantatsika fa manana fahalalana isika rehetra. Ny fahalalana mampieboebo; fa ny fitiavana no mampandroso.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Fa raha misy manao azy hahalala, dia tsy mbola mahalala araka izay tokony ho fantany akory izy.
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 8
Cross References
Numbers 25:2Fa ireo nanasa ny olona hihinana tamin’ ny zavatra novonoiny ho fanatitra ho an’ ny andriamaniny, ka nihinana ny olona sady niankohoka tamin’ ny andriamaniny.
Isaiah 47:10Fa nitoky tamin’ ny faharatsianao ianao ka nanao hoe: Tsy misy mahita ahy. Ny fahendrenao sy ny fahalalanao dia nampivily anao, ka dia nanao anakampo ianao hoe: Izaho no izy, fa tsy misy afa-tsy izaho.
Acts 15:19Koa dia izao no hevitro: Tsy mety raha isika manome fahasahiranana ny avy amin’ ny jentilisa izay miverina ho amin’ Andriamanitra;
Acts 21:25Fa ny amin’ ny jentilisa izay efa mino, dia efa nampitondra epistily izahay nandidy azy hifady ny hena aterina amin’ ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana.
Romans 12:16Miraisa saina. Aza mihevitra izay hiavonavonana, fa aoka mba ho zatra amin’ ny fietrena ianareo. Aza manao ny tenanareo ho hendry.
Romans 14:10Fa nahoana ianao no mitsara ny rahalahinao? Ary nahoana kosa ianao no manao tsinontsinona ny rahalahinao? Fa samy hiseho eo anoloan’ ny fitsaran’ Andriamanitra isika rehetra.