The Bible Software
bible.software › Epistily voalohany ho an'ny Korintiana › Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 14 › Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 14:25

Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 14:25

ka dia miseho ny zavatra takona ao am-pony, dia hiankohoka izy ka hivavaka amin’ Andriamanitra sady hilaza fa Andriamanitra dia ao aminareo marina tokoa.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And thus are the secrets of his heart made manifest; and so falling down on his face he will worship God, and report that God is in you of a truth.

In Context

24Fa raha samy maminany izy rehetra, ary miditra ny tsy mino, na ny tsy mahay, dia ho voan’ ny anatra ataon’ izy rehetra izy sady hotsarain’ izy rehetra;

26Ahoana ary no izy, ry rahalahy? Raha miangona ianareo, misy ta-hanao hira ianareo, misy ta-hanao fampianarana, misy manana fanambarana, misy manana fiteny tsy fantatra, misy manana fandikan-teny. Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana.

Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 14

Cross References

Genesis 44:14Ary Joda sy ny rahalahiny niditra tao an-tranon’ i Josefa (fa mbola tao izy), dia nidaboka tamin’ ny tany teo anatrehany.

1 Samuel 9:19Ary Samoela dia namaly an’ i Saoly hoe: Izaho no mpahita; miakara eo alohako ho any amin’ ny fitoerana avo; fa hiara-mihinana amiko ianareo anio, ary raha maraina dia halefako handeha ianao ka holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao.

Isaiah 45:14Izao no lazain’ i Jehovah; Ny vokatry ny fisasaran’ i Egypta sy ny tombom-barotr’ i Etiopia sy ny Sabeana, olona lava tsanganana, hafindra ao aminao, ka ho anao izany; ary hanaraka anao ireo; avy aman-gadra izy ary hiankohoka handady eo anatrehanao, dia hifona aminao hoe: Ato aminao tokoa Andriamanitra; ary tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izy ihany.

Zechariah 8:23Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Amin’ izany andro izany dia hisy folo lahy avy amin’ ny firenena samy hafa fiteny rehetra hihazona ny sisin-damban’ ny Jiosy anankiray ka hanao hoe: Mba handeha hiaraka aminareo izahay; fa efa renay fa momba anareo Andriamanitra.

Luke 8:28Fa nony nahita an’ i Jesosy izy, dia niantso mafy sady niankohoka teo anatrehany ka niteny tamin’ ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory Hianao, Jesosy, Zanak’ Andriamanitra Avo Indrindra ô? masìna Hianao, aza mampijaly ahy.

Revelation 5:8Ary rehefa nandray ny boky Izy, ny zava-manana-aina efatra sy ny loholona efatra amby roa-polo dia niankohoka teo anatrehan’ ny Zanak’ ondry, sady samy nanana lokanga sy lovia volamena feno ditin-kazo manitra izy, dia vavaka ataon’ ny olona masìna izany.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)聖書 (日本語)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBiblia TakatifuBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)

Study Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 14:25

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeAlbert BarnesJohn WesleyJohn CalvinScofieldWilliam BurkittFamily Bible NotesJohn LightfootGeneva Bible Notes (1599)Robertson's Word Pictures
← Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 14:24Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 14Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 14:26 →