Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 14:26
Ahoana ary no izy, ry rahalahy? Raha miangona ianareo, misy ta-hanao hira ianareo, misy ta-hanao fampianarana, misy manana fanambarana, misy manana fiteny tsy fantatra, misy manana fandikan-teny. Aoka ny zavatra rehetra hatao ho fampandrosoana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 14
Cross References
Romans 14:19Koa dia aoka isika hiezaka hitady ny momba ny fiadanana sy ny momba ny fifampandrosoana.
1 Corinthians 14:4Izay miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra dia mampandroso ny tenany; fa izay maminany kosa mampandroso ny fiangonana.
1 Corinthians 14:27Raha misy miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra, dia avelao ho roa na telo, fa aza atao mihoatra noho izany, ka ampifanarakarahina; ary avelao hisy iray mandika teny.
2 Corinthians 12:19Efa ela izay no nanaovanareo anay ho miala tsiny aminareo. Eo anatrehan’ Andriamanitra no itenenanay ao amin’ i Kristy; fa ny zavatra rehetra, ry malala, dia ho fampandrosoana anareo.
Ephesians 4:12ho fanatanterahana ny olona masìna, ho amin’ ny asan’ ny fanompoana amin’ ny fiangonana, ho amin’ ny fampandrosoana ny tenan’ i Kristy,
Ephesians 4:29Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ ny mihaino fahasoavana.