Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 15:55
Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
O death, where is thy sting? O grave, where is thy victory?
In Context
56Fa ny ota no fanindronan’ ny fahafatesana; ary ny lalàna no herin’ ny ota.
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 15
Cross References
Job 18:13Eny, laniny tsikelikely ny hodiny; ny momba ny tenany dia lanin’ ny lahimatoan’ ny fahafatesana.
Psalms 49:8Tsy misy mahavotra ny rahalahiny akory, na mahazo manome an’ Andriamanitra izay avony,
Ecclesiastes 2:15Dia hoy izaho anakampo: Mitovy amin’ ny manjo ny adala ihany ny manjo ahy, koa nahoana ary no nanan-tombom-pahendrena aho? Dia hoy izaho anakampo: zava-poana koa izany.
Ecclesiastes 8:8Tsy misy olona manan-kery hahatana ny ainy, na manan-kery ny amin’ ny andro hahafatesana; ary tsy misy fahafahana amin’ ny ady, ary ny ratsy fanahy tsy ho voavonjin’ ny faharatsiany.
Hosea 13:14Havotako tsy ho azon’ ny herin’ ny fiainan-tsi-hita izy; Hovonjeko ho afaka amin’ ny fahafatesana Izy; Ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao? Ry fiainan-tsi-hita ô, aiza ny fandringananao? Afenina tsy ho hitan’ ny masoko ny nenina.
Acts 2:27Fa tsy ho foinao ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny aiko; Ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao;