Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 16:22
Raha misy tsy tia ny Tompo, aoka ho voaozona izy. Maran ata.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
If any man love not the Lord Jesus Christ, let him be Anathema Maranatha.
In Context
21Ny tanako, izaho Paoly, no anaovako veloma.
23Ho aminareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompo;
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 16
Cross References
Song of Solomon 1:7Lazao amiko, ry ilay tian’ ny fanahiko, izay iandrasanao ny ondrinao, sy izay ampandrianao azy raha antoandro; Fa nahoana no ho tahaka izay mivezivezy foana aho Eny amin’ ny andian’ ny namanao?
Song of Solomon 5:16Mamy dia mamy ny vavany, eny, maha-te-ho-tia avokoa izy. Toy izany ny malalako, ary toy izany ny sakaizako, ry zanakavavin’ i Jerosalema!
Matthew 10:37Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy, ary izay tia ny zananilahy na ny zananivavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.
Matthew 25:45Fa hamaly azy Izy ka hanao hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko.
John 14:15Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.
John 14:23Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.