Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 2:7
fa milaza ny fahendren’ Andriamanitra izahay ka maneho zava-niafina, dia fahendrena izay nafenina sady voatendrin’ Andriamanitra ho voninahitsika talohan’ ny nanaovana izao tontolo izao;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 2
Cross References
Isaiah 48:6Efa renao, ka dia jereo izany rehetra izany, moa ianareo tsy hanambara izany va? Mampandre anao zava-baovao kosa Aho hatramin’ izao, dia zavatra miafina izay tsy fantatrao.
Matthew 13:35mba hahatanteraka izay nampilazaina ny mpaminany hoe: Hiloa-bava hilaza fanoharana Aho; Hanambara zavatra izay nafenina hatrizay nanorenana izao tontolo izao Aho.
Ephesians 1:4araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’ izao tontolo izao, mba ho masìna sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika,
Colossians 1:26dia ny zava-miafina, ilay voàfina hatramin’ ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho ankehitriny amin’ ny olony masìna,
1 Peter 1:11eny, nokatsahiny izay andro na izay toetry ny andro notondroin’ ny Fanahin’ i Kristy ao anatiny, raha nambarany rahateo ny fijalian’ i Kristy sy ny voninahitra manaraka izany.
1 Peter 5:10Ary Andriamanitry ny fahasoavana rehetra, Izay efa niantso anareo ho any amin’ ny voninahiny mandrakizay ao amin’ i Kristy, rehefa niaritra fahoriana vetivety ianareo, dia Izy no hahatanteraka sy hampiorina ary hampitoetra anareo.