Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 2:8
ary tsy nisy nahalala izany ny mpanapaka izao tontolo izao; fa raha nahalala izy, dia tsy nohomboany tamin’ ny hazo fijaliana ny Tompon’ ny voninahitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 2
Cross References
Matthew 11:25Tamin’ izany andro izany dia namaly Jesosy ka nanao hoe: Midera Anao Aho, Raiko, Tompon’ ny lanitra sy ny tany, fa nafeninao tamin’ ny hendry sy ny manan-tsaina izany zavatra izany ka nasehonao tamin’ ny zaza madinika.
John 3:19Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin’ izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany.
John 8:19Dia hoy ireo taminy: Aiza izay Rainao? Jesosy namaly hoe: Samy tsy fantatrareo, na Izaho, na ny Raiko; raha nahalala Ahy ianareo, dia ho nahalala ny Raiko koa.
John 12:40Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy, Mba tsy hahita ny masony, na hahalala ny fony, Dia tsy hibebaka izy, Ka tsy hahasitrana azy Aho.
John 16:3Ary izany no hataony, satria tsy fantany ny Ray na Izaho.
Acts 7:2fa hoy Stefana: Mihainoa, ry rahalahy sy ianareo ray: Andriamanitry ny voninahitra niseho tamin’ i Abrahama razantsika, raha tany Mesopotamia izy, fony tsy mbola nonina tany Harana,