Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 2:9
Fa araka ny voasoratra hoe: Izay tsy mbola hitan’ ny maso ary tsy mbola ren’ ny sofina, na niditra tao am-pon’ ny olona, na inona na inona no efa namboarin’ Andriamanitra ho an’ izay tia Azy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 2
Cross References
Isaiah 64:4Mitsena izay mifaly hanao ny marina Hianao, dia izay mahatsiaro Anao amin’ ny lalanao; indro, Hianao dia tezitra, ary hita fa meloka izahay; Hatramin’ ny ela dia izany no toetray, ka dia hovonjena va?
Matthew 20:23Hoy kosa Izy taminy: Hisotro amin’ ny kapoakako tokoa ianareo; fa ny hipetraka eo an-tanako ankavanana sy eo an-tanako ankavia, dia tsy Ahy ny hanome izany; fa izay nanamboaran’ ny Raiko izany no homena.
John 3:16Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
Hebrews 11:16Fa amin’ izany ny tsara lavitra no iriny, dia ny any an-danitra; ary noho izany Andriamanitra dia tsy menatra hatao hoe Andriamaniny, satria efa nanamboatra tanàna ho an’ ireo Izy.
James 2:5Mihainoa, ry rahalahy malalako: Tsy efa nofidin’ Andriamanitra va ny malahelo amin’ izao fiainana izao ho mpanankarena amin’ ny finoana sy ho mpandova ny fanjakana nolazainy homena izay tia Azy?
1 John 4:19Isika tia, satria Izy efa dia antsika taloha.