Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 4:11
Mandraka ankehitriny izao dia noana sy mangetaheta sy tsy manan-kitafy sy asiana totohondry ary tsy manana antom-ponenana izahay;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 4
Cross References
Matthew 8:20Fa hoy Jesosy taminy: Ny amboahaolo manan-davaka; ary ny voro-manidina manana fialofana; fa ny Zanak’ olona tsy mba manana izay hipetrahan’ ny lohany.
Acts 16:23Ary nony efa nokapohiny mafy dia mafy izy, dia nataony tao an-tranomaizina, ka nasainy niambina azy tsara ny mpiandry tranomaizina.
Romans 8:35Iza no hahasaraka antsika amin’ ny fitiavan’ i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?
2 Corinthians 4:8Voageja manodidina izahay, nefa tsy terỳ; very hevitra, nefa tsy mamoy fo;
2 Corinthians 11:23Mpanompon’ i Kristy va izy? (miteny toy ny olona very saina aho) mihoatra noho izy aho: amin’ ny fisasarana manan-tombo, amin’ ny tranomaizina matetika kokoa, amin’ ny kapoka be efa izay tsy izy, amin’ ny fahafatesana matetika.
2 Timothy 3:11ny nanenjehana ahy, ny fahoriana izay nanjo ahy tany Antiokia, tany Ikonioma, tany Lystra, dia ny fanenjehana izay niaretako; ary ny Tompo nahafaka ahy tamin’ izany rehetra izany.