Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 4:12
Ary misasatra miasa amin’ ny tananay izahay; raha tevatevaina izahay, dia misaotra; raha enjehina, dia miaritra;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And labour, working with our own hands: being reviled, we bless; being persecuted, we suffer it:
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 4
Cross References
Matthew 5:44Fa Izaho kosa milaza aminareo hoe: Tiava ny fahavalonareo, ary mivavaha ho an’ izay manenjika anareo,
Luke 23:34Ary hoy Jesosy: Raiko ô, mamelà ny helony, fa tsy fantany izay ataony. Dia nanaovany loka no fizara ny fitafiany.
Acts 7:60Dia nandohalika izy ka niantso tamin’ ny feo mahery hoe Tompo ô, aza atao ho helony anie izao ota izao. Ary rehefa nilaza izany izy, dia nodi-mandry.
Acts 20:34Fa fantatrareo ihany fa ireto tanako ireto no niasa mba hahazoako sy ny niaraka tamiko izay nilainay.
Romans 12:20Fa raha noana ny fahavalonao, omeo hanina izy; raha mangetaheta izy, omeo hosotroiny; fa raha manao izany ianao, dia hanambatra vainafo ho eo an-dohany.
1 Thessalonians 2:9Fa tsaroanareo, ry rahalahy, ny fikelezanay aina sy ny fisasaranay; fa niasa andro aman’ alina, mba tsy hahavaky tratra na dia olona iray akory taminareo aza, no nitorianay ny filazantsaran’ Andriamanitra taminareo.