Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 5:11
Fa ny nanoratako taminareo, dia ny mba tsy hiharoharoanareo aminy, raha misy atao hoe rahalahy, nefa mpijangajanga, na mpierina, na mpanompo sampy, na mpanaratsy, na mpimamo, na mpanao an-keriny, dia aza miara-mihinana akory amin’ ny toy izany ianareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
12Fa ahoako ny hitsara ny any ivelany? Tsy ny ao anatiny va no tsarainareo?
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 5
Cross References
Psalms 50:16Fa amin’ ny ratsy fanahy kosa dia hoy Andriamanitra: ahoana no itorianao ny lalàko sy itondranao ny fanekeko eo am-bavanao?
Ezekiel 22:12Ao aminao misy mandray kolikoly handatsa-drà; maka zana-bola sy tombony ianao sady manao an-keriny mandroba ny an’ ny namanao ka manadino Ahy, hoy Jehovah Tompo.
Matthew 23:25Lozanareo, mpanora-dalàna sy Fariseo, mpihatsaravelatsihy! fa diovinareo ny vohon’ ny kapoaka sy ny lovia, nefa ny ao anatiny dia feno rombaka sy tsi-fahononana.
Mark 7:21Fa avy ao anatin’ ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan’ ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin’ olona,
Luke 12:45Fa raha manao anakampo kosa izany mpanompo izany hoe: Maharitra ela ny tompoko vao ho avy, ka dia mikapoka ny ankizilahy sy ny ankizivavy izy sady mihinana sy misotro ka mamo,
Luke 21:34Ary mitandrema, fandrao ny fonareo hovesaran’ ny vokatry ny fisotroan-toaka sy ny fahamamoana ary ny fiahiahian’ izao fiainana izao, ka ho avy tampoka aminareo tahaka ny fandrika izany andro izany.