1 John 5:13
Izany no nosoratako aminareo, izay mino ny anaran’ ny Zanak’ Andriamanitra, mba ho fantatrareo fa manana fiainana mandrakizay ianareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
John 1:12Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’ Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,
John 3:18Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran’ ny Zanaka-lahy Tokan’ Andriamanitra izy.
John 21:24Izy no ilay mpianatra izay vavolombelona manambara izany sy nanoratra izany; ary fantatsika fa marina ny fanambarany.
Acts 4:12Ary tsy misy famonjena amin’ ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin’ ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena.
2 Corinthians 5:1Fa fantatsika fa raha ravana ny trano-laintsika etỳ an-tany, dia manana izay voarafitr’ Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra mandrakizay any an-danitra.
1 Timothy 1:15Mahatoky ka tokony hekena amin’ ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tetỳ ambonin’ ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ ireny izaho no lohany.