Epistily voalohany ho an'i Timoty 1:15
Mahatoky ka tokony hekena amin’ ny fankasitrahana rehetra izao teny izao: tonga tetỳ ambonin’ ny tany Kristy Jesosy hamonjy ny mpanota, ary amin’ ireny izaho no lohany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'i Timoty 1
Cross References
Job 42:6Koa dia miaiky sy mibebaka Eto amin’ ny vovoka sy ny lavenona aho.
Ezekiel 36:31Dia hotsarovanareo ny lalan-dratsinareo sy ny fanao tsy metinareo, ka dia haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny fahadisoanareo sy ny fahavetavetanareo.
Matthew 9:13Fa mandehana ka mianara izay hevitry ny teny hoe: Famindram-po no sitrako, fa tsy fanatitra alatsa-drà; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.
Matthew 18:11(Fa tonga ny Zanak’ olona hamonjy ny very.)
Mark 2:17Ary raha nahare izany Jesosy, dia nanao taminy hoe: Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody, fa ny marary; tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota
Luke 19:10Fa efa tonga ny Zanak’ olona hitady sy hamonjy ny very.