Boky faharoan'ny Mpanjaka 10:5
sy ny fihinany teo amin’ ny latabany sy ny fipetrahan’ ny tandapany sy ny fitoeran’ ny mpanompony mbamin’ ny fitafian’ ireo sy ny mpitondra kapoakany ary ny ambaratonga izay niakarany ho ao an-tranon’ i Jehovah, dia talanjona terỳ izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 10
Cross References
Joshua 5:1Ary ny mpanjaka rehetra amin’ ny Amorita any an-dafy andrefan’ i Jordana sy ny mpanjaka rehetra tamin’ ny Kananita any amoron’ ny ranomasina, rehefa nandre ny nanamainan’ i Jehovah ny rano Jordana teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely mandra-pitany, dia ketraka ny fony ka very hevitra izy noho ny tahony ny Zanak’ Isiraely.
2 Kings 16:18Ary ny Fialofana tamin’ ny Sabata, izay natao teo akaikin’ ny trano, sy ny fidirana ivelany izay an’ ny mpanjaka, dia nafindrany ho ao an-tranon’ i Jehovah noho ny tahony ny mpanjakan’ i Asyria.
1 Chronicles 26:16An’ i Sopima sy Hosa ny andrefana mbamin’ ny vavahady Saleketa amin’ ny lalana miakatra; ary dia feno avokoa ny fiambenana.
2 Chronicles 23:13Ary hitany fa, indro, ny mpanjaka nitsangana teo amin’ ny fitoeran’ andriana teo amin’ ny fidirana, ary ny mpanapaka sy ny mpitsoka ny trompetra dia teo anilan’ ny mpanjaka; ary ny vahoaka rehetra dia nifaly sady nitsoka ny trompetra ary ny mpihira amin’ ny zava-maneno isan-karazany no nitarika ny hira fiderana. Dia nandriatra ny fitafiany Atalia ka niantso hoe: Fikomiana! fikomiana!
Ezekiel 46:2Dia hiditra avy any ivelany amin’ ny lalana mankamin’ ny lavarangan’ ny vavahady ny mpanjaka ka hijanona eo anilan’ ny tolam-bavahady, ary ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany dia haterin’ ny mpisorona, ary ny mpanjaka hiankohoka eo amin’ ny tokonam-bavahady, dia hivoaka izy; ary tsy hirindrina ny vavahady, raha tsy efa hariva ny andro.