The Bible Software
bible.software › Bokin'i Ezekiela › Bokin'i Ezekiela 46 › Bokin'i Ezekiela 46:2

Bokin'i Ezekiela 46:2

Dia hiditra avy any ivelany amin’ ny lalana mankamin’ ny lavarangan’ ny vavahady ny mpanjaka ka hijanona eo anilan’ ny tolam-bavahady, ary ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany dia haterin’ ny mpisorona, ary ny mpanjaka hiankohoka eo amin’ ny tokonam-bavahady, dia hivoaka izy; ary tsy hirindrina ny vavahady, raha tsy efa hariva ny andro.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And the prince shall enter by the way of the porch of that gate without, and shall stand by the post of the gate, and the priests shall prepare his burnt offering and his peace offerings, and he shall worship at the threshold of the gate: then he shall go forth; but the gate shall not be shut until the evening.

In Context

1Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ny vavahadin’ ny kianja anatiny izay manatrika ny atsinanana dia harindrina mandritra ny henemana fanaovan-draharaha; fa amin’ ny Sabata sy amin’ ny andro voaloham-bolana kosa no hivoha izy.

3Ary ny vahoaka koa hiankohoka eo anatrehan’ i Jehovah eo am-bavahady amin’ ny Sabata sy amin’ ny andro voaloham-bolana.

Read all of Bokin'i Ezekiela 46

Cross References

1 Chronicles 17:16Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan’ i Jehovah, dia nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Andriamanitra ô? Ary zinona moa ny mpianakaviko, no nentinao ambaraka ankehitriny aho?

2 Chronicles 6:13fa efa nanao fitaingenana varahina izy, ary napetrany teo afovoan’ ny kianja io (dimy hakiho ny lavany, ary dimy hakiho ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony); dia nitsangana teo amin’ io izy ka nandohalika teo anatrehan’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ary namelatra ny tànany manandrify ny lanitra

2 Chronicles 29:29Ary nony efa nitsahatra ny nanaterana izany, dia nandohalika sy niankohoka ny mpanjaka mbamin’ izay rehetra teo aminy.

Ezekiel 44:3Kanefa kosa ny mpanjaka no mahazo mipetraka ao hihinan-kanina eo anatrehan’ i Jehovah, satria mpanjaka izy; amin’ ny lalana mankamin’ ny lavarangan’ ny vavahady no hidirany, ary amin’ ny lalana nalehany ihany toa no hivoahany.

Ezekiel 46:8Ary raha miditra ny mpanjaka, dia amin’ ny lalana mankamin’ ny lavarangan’ ny vavahady no hidirany ary amin’ ny lalana nalehany ihany koa no hivoahany.

Matthew 26:39Ary nony nandroso kelikely Izy, dia niankohoka ka nivavaka hoe: Raiko ô, raha azo atao, dia aoka hesorina amiko ity kapoaka ity; nefa aoka tsy ny sitrapoko anie no hatao, fa ny Anao.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Ezekiela 46:2

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Ezekiela 46:1Bokin'i Ezekiela 46Bokin'i Ezekiela 46:3 →