Boky faharoan'ny Mpanjaka 11:18
Ary niainga niala tany Midiana ireo ka tonga tany Parana; dia naka olona avy tany Parana homba azy izy ka nankany Egypta ho any amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, izay nanome azy trano sy tany sady nilaza hanome hanina azy koa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 11
Cross References
Genesis 21:21Ary nonina tany an-efitra Parana izy ka nakan’ ny reniny vady avy tany amin’ ny tany Egypta izy.
Genesis 25:4Ary ny zanakalahin’ i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanak’ i Ketora.
Numbers 10:12Dia niainga tany an-efitr’ i Sinay ny Zanak’ Isiraely ka nandroso, ary ny rahona nijanona tany an-efitra Parana.
Numbers 25:6Ary, indro, avy ny anankiray tamin’ ny Zanak’ Isiraely nitondra vehivavy Midianita teo amin’ ny rahalahiny, teo imason’ i Mosesy sy ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, izay nitomany teo amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.
Numbers 25:18fa izy nandrafy anareo tamin’ ny fanangoleny, izay nanangoleny anareo tamin’ ny an’ i Peora sy Kosby anabaviny, zanakavavin’ ny andriandahy Midianita anankiray, izay novonoina tamin’ ny andron’ ny areti-mandringana noho ny an’ i Peora.
Deuteronomy 33:2Hoy izy: Jehovah avy tao Sinay, Ary niseho taminy avy tany Seïra; Niposaka namirapiratra avy tany an-tendrombohitra Parana Izy; Ary avy tao amin’ ny masiny tsy omby alinalina; Ary teo ankavanany nisy lalàn’ afo ho an’ ireo.