Boky faharoan'ny Mpanjaka 11:38
Ary raha mihaino izay rehetra andidiako anao ianao ka mandeha amin’ ny lalako ary manao izay mahitsy eo imasoko ka mitandrina ny didiko sy ny lalàko tahaka izay nataon’ i Davida mpanompoko, dia ho aminao Aho ka hampaharitra ny taranakao, tahaka izay nataoko ho an’ i Davida, ary homeko anao ny Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
39Ary hampietry ny taranak’ i Davida kosa Aho noho izany, nefa tsy ho mandrakizay.
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 11
Cross References
Deuteronomy 15:5raha mihaino tsara ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao anio.
Joshua 1:5Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin’ ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an’ i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho.
2 Samuel 7:16Ary ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay.
2 Samuel 7:27Fa Hianao, Jehovah Tompon’ ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, efa nilaza tamin’ ny mpanomponao hoe: Izaho hanome taranaka anao; koa izany no nampahasahy ny fon’ ny mpanomponao hanao izao vavaka izao aminao.
1 Kings 6:12Ny amin’ ity trano ataonao, ity raha handeha araka ny lalako ianao sy hanaraka ny fitsipiko ary hitandrina ny didiko rehetra ka hanaraka azy, dia hotanterahiko aminao ny teniko, izay nolazaiko tamin’ i Davida rainao;
1 Kings 11:4Fa nony efa antitra Solomona, dia navilin’ ny vadiny ny fony hanaraka andriamani-kafa, ka ny fony tsy mba nahitsy tamin’ i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon’ i Davida rainy.